Actualités

OPCI Ikopa Hamatsy rano Kaominina 56


  • Alakamisy 14 Janoary 2016

Ny volana desambra tamin’ny taon-dasa no nijoroan’ny «Organisme Public de Coopération Intercommunale» na OPCI Ikopa, izay ivondronana Kaominina miisa 56 avy amin’ny Distrika efatra ato Analamanga,

 

 dia Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Avaradrano, Ambohidratrimo ary Manjakandriana. Mifantoka amin’ny asa famokarana sy fitsinjarana rano fisotro madio ho an’ireo mponina 1.300.000 ao aminy ary ny asa fanadiovana amin’ny ankapobeny ny asa.

Tetikasa goavana hotanterahana ato ho ato ny fanodinana ny ranon’Ikopa hanjary ho rano fisotro ara-pahasalamana hotsinjaraina isan-tokantrano sy ny fananganana fotodrafitrasa hanodina ireo rano maloto ho rano madio azon’ny Olombelona jifaina ary ny fanodinana ireo fako hanjary angovo. Tanjon’ny OPCI ny hahazoan’ny 35%-n’ny mponina rano fisotro madio hatramin’ny 2020, 70% hatramin’ny 2025 ary ny 100% hatramin’ny 2030.

Nomarihan’ny Ben’ny tanànan’Alasora Marc Ramiarinjatovo izay filohan’ny OPCI Ikopa fa hiteraka asa vaovao ho an’ny mponina miisa 2 000 hatramin’ny 3 000 ny tetikasan’ny OPCI Ikopa. Tsy idiran’ny resaka na loko politika ihany koa ny OPCI Ikopa, hoy ihany ny lehilahy fa mikendry hatrany kosa ny asa fampandrosoana ho an’ireo mponina. Fomba iray entina hanamorana kokoa ny fandresen-dahatra ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka ihany koa ny fijoroan’ny OPCI, anisan’izany ny Banky Iraisam-pirenena, ny minisiteran’ny rano sy fidiovana ary ny fanadiovana ary ny minisiteran’ny fahasalamana.

Anisan’ireo Kaominina miisa 56 mpikambana eo anivon’ny OPCI Ikopa ny Kaominina Ambohijanaka. Nomarihan’ny Ben’ny tanànan’Ambohijanaka, Ratsimbazafy Alain, fa nitady toko ka sendra vato ny Kaominina izay tantaniny raha nifanojo tamin’ny OPCI Ikopa. Fokontany miisa 2 amin’ireo 12 mandrafitra ny Kaominina Ambohijanaka tokoa mantsy hatreto no mba manana rano fisotro madio sy ara-pahasalamana.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT