Miisa 35 mianadahy ahitana vehivavy 16 ireto andiany voalohany “Lomagnorano”notolorana ny “certificat” ny fahavitan’izy ireo ny fianarana anaty efitrano momba ny fitsaboana teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina Barikadimy,
raha 100 no isan’izy ireo tany am-boalohany ny taona 2010 nisokafan’ity sampam-pianarana ity izay mbola nifanohana tamin’ny oniversiten’i Mahajanga teo aloha. Manomboka izao dia miditra amin’ny fizaran’asa avy hatrany izy ireo ary mandritra izay no hanoratan’izy ireo ny fanohanan-keviny ka hahazoan’izy ireo ny diplaoman’ny fitsaboana voalohany eo anivon’ny sampam-pianarana fitsaboana ao Toamasina ity.
Nandritra ny lanonana no nangatahan’ny filohan’ny oniversite, Dr Velo Jerome, amin’ny tokony hisian’ny fianarana momba ny fitsaboana nify, farmasia, fitsaboana biby, ary ny “informatique médicale”. Niatrika ny lanonana ny minisitry ny fahasalamana, Pr Andriamanarivo Mamy Lalaina sy ny minisitry ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana Dr Ndahimananjara Johanita Bénédicte.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.