Manohy asa maha filohan’ny Oniversiten’Antsiranana i Pr Manorohanta Cécile. Nivoaka mpandresy nandritra ny fifidianana natao ny alatsinainy 11 janoary 2016 ity tamin’ireo toeram-pampianarana fito misy ao amin’ity oniversitem-panjakana.
Efa filohan’ity oniversite ity i Pr Manorohanta Cécile talohan’ny nanendren’ny filoha Marc Ravalomanana azy ho minisitry ny fampianarana ambony. Nirotsaka hofidiana filohan’ny Oniversiten’Antsiranana indray izy taorian’izay efa-taona lasa izay, dia izao voafidy fanindroany izao.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.