Actualités

Oniversiten’Antananarivo Hisokatra ao Soavinandriana Itasy ny sampana faharoa


  • Talata 03 Febroary 2015

Hisokatra ao Soavinandriana Itasy ny sampan’ny oniversiten’Antananarivo. Natao omaly tany an-toerana ny fanaovan-tsonia momba izany. Ny Faritra Itasy no nanome tany hanorenana ny oniversite

. Nitarika ny lanonana tany an-toerana ny minisitry ny fampianarana ambony Rasoazananera Marie Manique, notronin’ny minisitry ny fahasalamana Pr Andriamanarivo Mamy Lalatiana sady sojaben’ny fakioltean’ny fitsaboana sy ny minisitry ny filazam-baovao sy fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Andrianjato Vonison. Ity no sampan’ny oniversiten’Antananarivo faharoa nosokafana taorian’ny ao Antsirabe, nisokatra roa taona lasa izay. Ahitana lalampiofanana 7 ao, miofana mandritra ny telo taona ary ahazoana diplaoma “licence professionnelle”. Miisa 280 eo ireo mpianatra nisoratra anarana hatreto. Hatomboka amin’ny 9 febroary izao ny taom-pianarana, hindrana trano ny oniversite mandra-pijoron’ny fotodrafitrasa natokana ho azy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT