Tsy mbola voafehy ny fampanaraham-penitra ny tontolon’ny fampianarana ambony tsy miankina eto amintsika.
Tsy fantatra mazava intsony izay ara-dalàna sy tena mamoaka mari-pahaizana ankatoavin’ny fanjakana noho ny hamaroany, ka ilaina ny manao fanadihadiana mialoha mba hisorohana ny mety ho fahadisoam-panantenana sy ny fahaverezam-bola amam-potoana. Eo ihany koa ny fenitra eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa. Omaly, nanao fidinana ifotony tampoka nanara-maso sy nanamarina ny fifanarahana voarakitra ao anatin'ny antontan-taratasy napetrak'ireo oniversite sy ny tena zava-misy marina eny amin’ireny oniversite tsy miankina ireny ny avy amin'ny minisiteran'ny fampianarana ambony. Ny tsy fanajana ny isan'ny mpianatra anaty efitrano fianarana sy ny tsy fahatomombanan’ny fotodrafitrasa no tena olana. Tsy mbola nisy kosa anefa ny fanakatonana fa ny fanomezana baiko mba hanitsiana azy no natao. Mety ho tonga amin’ny fanakatonana kosa ny raharahara aoriana raha tsy misy fanarenana ny lesoka hita.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.