Anisan’ireo oniversite milamina sy tsara indrindra ny ao Mahajanga. Maro ireo sampam-pampianarana nisokatra nandritra ny fitondrana nisesy tao an-toerana izay nampiavaka io anjerimanontolo io
. Taty aoriana anefa dia nisy ny fitokonan’ireo mpianatra sy ny mpandraharaha. Niafara tamin’ny fanalana ny filoha Rabesa teo amin’ny toerany izany. Manoloana ireo olana mateti-pitrangana dia nandray fanapahan-kevitra ny minisiteran’ny fampianarana ambony ny amin’ny fampandehanana ny fampianarana eo anivon’ny oniversite Mahajanga izay nisy ny fifampiraharahana teo amin’ireo mpandraharaha sy ny mpiasan’ny anjerimanontolo. Amin’izao fotoana izao anefa dia mbola maro ireo mpampianatra sy ny mpianatra no tsy mbola afaka miditra eny amin’ny campus Ambondrona ary miafara amin’ny fandrahonana sy ny vono na dia efa nisy aza ny fanpanantenana nataon’ny minisitra sasany izay tonga tany Mahajanga ny volana Marsa teo fa afaka miditra eny avokoa ny mpiasa rehetra. Tanjona iray ihany anefa an’ireo mpandraharaha dia ny fanatanterahana ny fifidianana izay ho filohan’ny oniversite mba hiverenan’ ny oniversite Mahajanga ao anatin’ny ara-dalàna. Maro ny manontany tena mikasika ity raharahan’ny oniveriten’i Mahajanga izay tena fanapa-kevitra raisin’ny fanjakana hamahana azy io. Nanao tohivakana koa ny fanesorana mpitantana izay tsy tafiditra tao anatin’ny fifanarahana miaraka tamin’ny minisitra tonga tany an-toerana ireo. Ireo mpikambana ao amin’ny kaomisona mpitantana vonjimaika ny oniversite izay tokony hamaha ny olana dia variana mitady ny tombontsoany. Fantatra ihany koa fa tsipahan’ireo kaomisiona tanteraka ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ity taona ity satria dia mbola mihevitra ny hitantana izy ireo ao anatin’ny herintaona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.