Mbola nitohy omaly ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpianatra teny Ankatso. Nisy ny sakana nataon’izy ireo teny
Ambohipo sy ny manodidina iny ka kodiarana fiarakodia no nodoran’izy ireo tamin’izany. Tahaka ny efa fanaon’ireto mpianatra ireto dia nisy ny fitsofana kiririoka sy hiaka nataon’izy ireo ny amin’ny fangatahana ny hamoahana an’i Berija izay mbola any Tsiafahy. Nilaza izy ireo fa tsy hijanona ary hanohy ny hetsika hatrany na ho tapitra samborina avokoa aza izy ireo. Nisy moa ny fandoran’ireto mpianatra ireto ny sarin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina nandritra ny hetsika izay nataon’izy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.