Actualités

Oniversite Ambohitsilaozana Voatery naato herinandro ny fampianarana


  • Zoma 09 Desambra 2016

Ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny minisiteran’ny fambolena sy fiompiana no tsy mahay mifandamina dia ny tanora mpianatra no sahirana.


 Niato ny fampianarana tao amin’ny oniversite Ambohitsilaozana Ambatondrazaka, sampan'ny oniversite Toamasina taorian’ny fitokonana nataon’ny mpianatra, nidinan’izy ireo an-dalambe nihazo ny biraon’ny faritra Alaotra Mangoro ny talata 6 desambra 2016 teo. Efirano hianarana no fototry ny olana. Nalain’ny Centre Agricole (CAFPA) mantsy ny trano fianaran’izy ireo ao Ambohitsilaozana, araka ny fampahafantarana azon’izy ireo ny faran’ny herinandro teo. Tsy manaiky ny hamindrana azy ireo amin'ny toerana hafa anefa ireo mpianatry ny oniversite Ambohitsilaozana izay tokony hamita ny taom-pianarana hatramin'ny janoary 2017. Taorian’ny fifandaminan’ny tompon’andraikitra ao an-toerana, dia tapaka fa hitohy ny fampianarana manomboka amin’ny alatsinainy, ary hampiasaina hamitana ny taom-pianarana ny efitra roa amin’ny efatra nalain’ny CAFPA.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT