Actualités

Onitiana Realy « Tsy misy faneriterena ny fetin’ny 8 martsa »


  • Talata 07 Martsa 2017

Natomboka omaly ny hetsika fanamarihana sy fankalazana ny andron’ny vehivavy 8 martsa amin’ity taona ity.Nisy ny fampahafantarana teny amin’ny hotely Carlton azy 18 mirahavavy misolotena ny faritra 22 amin’ilay fifaninanana

« Vehivavy mizaka tena ara-toekarena » karakarain’ny ministeran’ny mponina ; taorian’ny fijerena sy fanadihadiana lalina natao tamin’ireo tetikasa natolotra fikambanam-behivavy moa no nisafidianana ireo solontena 3 isaky faritany 6 ka izay no naha 18 ny mpifaninana miatrika ny famaranana, tena miainga avy any ifotony ary mahasehaka vehivavy maro ny tetikasa ka nifantoka tamin’ny fambolena sy fiompiana ny ankabeazana.Amin’ny andron’ny vehivavy ny alarobia 8 martsa izao no hahafantarana izay mendrika indrindra ka handrombaka ny fandresena.Mitentina 20 tapitrisa ariary moa ny loka azon’ny laharana voalohany.Ankoatr’io moa dia misy koa ny fampirantiana vokatra mampiavaka ny faritra tsirairay avy sy ny asa tanan’ireo vehivavy , misy voninkazo sy fitafiana ihany koa tanterahana eny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina nanomboka omaly ka hatramin’ny 8 martsa, 150 ny tranoheva hita ao.Nanamarika moa omaly ny minisitry ny mponina Onitiana Realy fa tsy misy ny faneriterena ireo mpiasam-panjakana amin’ny hetsika atao mandritra ity 8 martsa ity fa dia malalaka amin’izay ataony ny rehetra, samy manana ny fifandaminany ihany koa moa ny toeram-piasana tsirairay avy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT