Hamerina an-tsekoly ireo ankizy niala an-daharana
Hamerina an-tsekoly ireo ankizy mpianatra nitsoaka an-daharana any amin’iny faritra Andrefan’ny Nosy iny ny toby Tsaramanasoa eny Itaosy rehefa tsy vitan’ny fanjakana intsony ny hanao azy. Ireo faritra ambanivohitra tena betsaka ankizy miaina ao anatin’ny tsy fisiana no nosafidian’izy ireo manokana toy ny ao Soavinandriana, Faritra Itasy sy ny ao Mahasolo, Faritra Bongolava. Ny fiandohan’ny volana desambra ho avy izao no hamarana ny fiofanana nomena azy, ireo tanora mpianatra 20 mianadahy nofanina handray an-tanana ireo ankizy ireo. Manana ny maripahaizana bakalôrea avokoa ireto tanora ireto saingy noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana dia tsy afaka nanohy ny fianarany intsony. Ny volana janoary taona 2017 kosa no hanomboka ny famerenana an-tsekoly ny mpianatra, izay hanomboka ao amin’ny taona voalohany ka hatramin’ny taona fahefatra ho an’ny sekoly ambaratonga fototra ary ny taona fahenina ka hatramin’ny taona fahavalo ho an’ny sekoly ambaratonga faharoa. Tsy karamaina vola anefa izy 20 mianadahy ireo fa ny vokatra avy amin’ny tany izay volen’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra ihany no omena azy. Ny toby kosa no hiantoka ny masomboly sy ny zezika mandrapisian’ny vahaolana maharitra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.