Taorian’ny nampianarany informatika maimaimpoana ireo olona jamba teto an-drenivohittra nanomboka ny taona 2007 dia hiroso amin’ny fanohanana sy fanampiana ireo olona manana fahasembanana rehetra indray ny Ong C for C manomboka izao.
Ny masoivoho Frantsay no hanohana sy hamatsy ara-bola ny tetikasa, mitondra ny anarana “ Rohy” izay vao nampahafantarana ny mpanao gazety omaly. Lafiny roa lehibe no hiasan’ity tetikasa ity, hoy Ramatoa Sariaka Nantenaina, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny Ong C for C. Voalohany ny fanohanana akaiky ireo olona manana fahasembanana te hanao asa tenany, raha eo ihany koa ny fanampiana sy fanomezan-tanana ireo te-hiasa aman’olona. Tafiditra ao anatin’izany ho an’ireto farany ny fomba fanamboarana taratasy fitadiavana asa, ny fomba hoentina mandresy lahatra ny mpampiasa mandritra ny fihaonana voalohany. Misy ihany ireo mpampiasa no manaiky handray olona manana fahasembanana saingy ilay fahatokisana amin’ny fahavitany ny asa na tsia no tena mbola sakana. Amin’ny alalan’ireo karazana fimbanana misahana ireo olona manana fahasembanana eto amintsika moa no hakan’ny Ong C for C ireo izay mila fanampiana aminy. Tsiahivina fa miara-miasa akaiky amin’ny Minisiteran’ny mponina izy ireo amin’ny fanatanterahana izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.