Actualités

Ong Affami Nitokana ivontoerana fanabeazana 2


  • Sabotsy 24 Oktobra 2015

Ao anatin’ny fanitsahany ny faha-5 taona niorenany dia niofo ho Ong ny fikambanana AFFAMI na ny Andry Fanabeazana sy Fanorenana Mirindra izay noforonin-dRtoa Raherisoa Vololona Victorine ary tarihan’ny Tale mpanatanteraka, Randriakoto Adolphe Jean ankehitriny.

 

 

 Efa tsangambaton’ny faha-5 taona ny fitokanana ivontoerana fanabeazana sy fikoloana sosialy AFFAMI roa omaly zoma 23 oktobra 2015 dia izay hita eny Antanety Atsimo sy Ambohimiadana Avaratra samy eny amin’ny fari-piadidiana eny Ambohimanarina ao amin’ny boriborintany faha-6 avokoa. Ny asa no manamarika ny fisianay, hoy Rtoa Raherisoa vololona omaly, ka porofon’izany izao fanokanana ivontoerana 2 eto Ambohimanarina izao. Ambohimanarina no nisantatra ny fananganana fa hosokafana ihany koa ny eny Avaradrano sy Atsimondrana ary Ambohidratrimo satria ny Faritra Analamanga mihitsy no toerana iasanay. Manao fanolorana asa toy  ny “bureautique, maintenance informatique”, manara-maso ny fahasalaman’ny zaza ary manome tsy tapaka sakafo ho an’ny  ankizy tsy ampy lanja, mampiofana mpiasa an-trano sy mpanao zaridaina ho matihanina, mampahafantatra ny zo aman-dalàna  ny olona amin’ny ankapobeny, mampianatra teny anglisy izay hany handoavam-bola amin’ireo tolotra homena saingy “symbolique” ihany izany, hisahana ny fambolena katsaka sy fiompiana akoho fangalana nofo izahay. Ny olona rehetra tsy ankanavaka dia afaka manatona ireto ivontoerana ireto.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT