Actualités

OMDA sy ny fakana vola amin’ny mpanakanto Misy tsy mpikambana nefa lasibatra


  • Alarobia 01 Oktobra 2014

Misy amin’ireo mpanakanto eto amintsika no tsy mbola mpikambana ao amin’ny OMDA amin’izao fotoana nefa hakan’izy ireo vola hatrany. Ankoatra ny fampisehoana ataony dia ahitana ny solontenan’ny OMDA hatrany ary maka vola ana hetsiny isaky ny mandeha.

Ny fanadihadiana natao dia mbola hakan’ny OMDA vola ihany koa ny sanganasan’izy ireny mandeha eny amin’ny haino aman-jery nefa tsy misy miverina aminy izany na kely monja aza. Anisan’ny miaina izany ary mametra-panontaniana ny amin’ny fandehan’ireny vola alaina aminy ireny i Tsarafara na Rajao. Tsy haiko na fantatry ny talen’ny OMDA izany fakana vola izany na ahoana fa tokony hitondrany fanazavana manokana mihitsy mba hampazava ny fitsipi-dalao, hoy izy. Ho azy manokana dia tonga hatrany amin’ny faritra mihitsy ny solontenan’ny OMDA manaraka ny fampisehoana ataony. Tsy manao hiran’olon-kafa anefa izy mandritra izany fa dia ny sanganasany ihany no ataony. Ankoatra izay, mahavariana ihany koa ny fakana vola amin’ny anarany amin’ireo haino aman-jery mandefa ny sanganasany izay azo heverina ho fisolokiana, hoy hatrany izy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT