Actualités

Omby nitrifana teny Analakely Nanimba entana sy nandratra olona


  • Alarobia 24 Aogositra 2016

Tranga hafa kely no nitranga teny Analakely omaly. Nikoropaka eran’ny tsena sy ny arabe. Nisy ny mpivarotra nanidy tsena avy hatrany.

Tsy grevy akory na mpiasan’ny kaominina manenjika mivarotra amoron-dalana fa omby masiaka no tafiditra teny Analakely. Nanimba entana tamin’ny lalana izay nolalovany sady nandratra olona maromaro ity omby tafiakatra an-tanàn-dehibe ity. Avy any Ankadindratombo izy ity raha ny fantatra; ary nisy omby hafa ihany koa tafatsoaka niaraka taminy ka voasambotra tany Andrainarivo ny iray. Voafehy ihany moa ilay omby tao Analakely ny farany. Tokony hampieritreritra ny rehetra, indrindra fa ireo tompon’andraikitra amin’ny labatoara ny tranga tahaka izao satria tena mety hampidi-doza. Misy ny fomba fiasa tsy maintsy ahitsy fa misy lesoka ao matoa omby roa aman-telo no tafatsoaka ary efa mahavita kilometatra maromaro vao tratra.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT