Mitohy hatrany ny olana sedrain'ireo mpianatra eny amin'ny pôliteky Vontovorona.
Araka ny fanazavan-dRandriamampiavana Donald, filohan'ny mpianatra eny an-toerana dia miaina anaty delestazy lavareny izy ireo efa fotoana marobe izao. Tapaka hatrany ny jiro na dia amin'ny alina tokony hianarana aza ka tsy misy afaka manao fikarohana ireo mpianatra. Kely ihany koa ny tariby mitondra ny herinaratra ho an'ny isan-tokantrano, tsy mahazaka ny herin'ny herinaratra tokony hoentiny, hany ka simba sy potika avokoa izay fitaovana rehetra ampiasaina. Ankoatra izay, hifampitadiavana ihany koa ny trano fivoahana sy ny trano fidiovana. Voatery mifoha amin'ny 5 ora maraina izy ireo isan'andro manenjika izany any amin'ny tranon'ireo olona eny amin'ny manodidina. Anisan'ny antony nampitroatra ireo mpianatra tamin'ilay lalao baolina kitra notanterahina teny Vontovorona ny talata teo ireo mba hahafahan'ireo tompon'andraikitra mandray ny andraikiny. Na izany aza, nisy ny fifanandrifin-javatra sy ny fanararaotana nataon'ireo olon-tsy fantatra tavela teny an-toerana tsy nahazo taksibe hodiana. Tsy mponina eny Vontovorona akory ireo nitoraka sy nikapoka fiara ireo fa olona avy any amin'ny toeran-kafa mihitsy. Tsy nijery fotsiny azy ireo ny kapitenin'ny ekipam-pirenena Barea Atoa Faneva Ima fa nihaona tamin'izy ireo mivantana sy nanontany ny olana sedrain'izy ireo. Mbola nitohy omaly tetsy amin'ny Motel Anosy ny fihaonan'ny roa tonta ka nambaran'ny kapiteny Faneva fa vonona izy ny hijery izay azo hatao ho an'ireo mpianatry ny politeky eny Vontovorona ireto. Anisan'izany ny fitadiavana mpiara-miombon'antoka any ivelany afaka ny hamaha ny olan'ireo mpianatra eny Vontovorona... Tsy nijery arina an-tava izy fa nananatra sy nampita hafatra ho an'ireo mpianatry ny pôliteky eny Vontovorona rehetra. Tsy mety, hoy izy, ary tsy mahasoa ny fanaovana fitakiana anaty korontana tahaka ireny satria tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana ihany. Araka ny nambaran'ireto mpitarika ny mpianatra eny Vontovorona ireto dia efa tokony hamboarina sy karakarain'ny fanjakana tokoa ny sekoly misy azy ankehitriny satria efa 45 taona izao no nijoroany saingy tsy mbola nisy fanamboarana iray manontolo hatreto fa singatsinganina ihany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.