Tokantrano maro eto an-drenivohitra sy ny manodidina no lalovana olona mitonona ho mpiasan’ny JIRAMA izay misava sy maka kaontera mihitsy tato anatin’ny herinandro izao.
Nisy tamin’ireo tokantrano ireo no nahazo fandrahonana toy ny hoe : hakany vadintany rehefa tsy manaiky ny hangalany ilay kaontera izay fantatra fa mandeha tsara tsy misy olana sady miasa mafy ao amin’ilay tokantrano noho ny asa sahaniny. Rehefa nanontaniana ny mikasika izany Randrianarisoa Feno, tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa JIRAMA dia nanambara izy fa mpisoloky izany. Misy indraindray ny fanapahana ataon’ity orinasa ity saingy tsy tokantrano iray no hanaovany izany fa tanana iray mihitsy izay hialohavan’ny fampandrenesana eny anivon’ny fokontany. Ankoatra izay dia manana badge manamarina ny maha mpiasan’ny JIRAMA azy ilay olona, mitondra ordre de mission ihany koa ary manana ny antony mazava hanaovany ny fanaraha-maso fa tsy mandeha ho azy amin’izao. Miantso ny olona mba ho mailo ity tompon’andraikitry ny serasera eo anivon’ny orinasa JIRAMA ity satria ny ratsy tsy kely lalana.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.