Actualités

Olona maty nandritra ny savorovoro tao Toamasina Mifanipaka ny tenin’ny dokotera sy ny manampahefana


  • Zoma 26 Desambra 2014

Samy manana ny ambarany ny mpitsabo sy ny fanjakana mikasika ilay rangahy 38 taona maty nandritra ilay sakoroka nitranga ny alatsinainy alina teo anelanelan’Anjoma sy Ambolomadinika ary tao Mangarano nandalo an’i Mangarivotra

Ho an’ny mpitsabo nizaha ny naratra sy niezaka nanavotra ilay rangahy naratra dia bala nahavoa ny tratrany sy ny kibony niteraka fahaverezan-dra noho ny fahatarana famonjena mpitsabo, no niteraka ny fahafatesany ny alin’ny alatsinainy nifoha ny talata teo. Ho an’ny fanjakana kosa dia ady teo amin’ny mpianakavy no nahatonga ilay fahafatesana teo aminy noho ny ratra nahazo azy tara tonga teny amin’ny mpitsabo. Raha ny zava-misy aloha dia nahitana lavaka ny tratra sy ny kibon’ity rangahy maty ny alatsinainy alina ity. Ireo mpitandro ny filaminana nanome fanazavana ihany koa, dia nanambara fa tena “ bala very” avy amin’ny mpitandro ny filaminana ny nahavoa azy ka nahafaty azy izao, izany hoe bala nidona tamina zavatra niverina tamin’ny fanaovana tifi-danitra. Ankoatra izay, niakatra fampanovana ny alarobia teo ireo 39 mirahalahy voasambotra nandritra ny sakoroka ny alatsinainy alina. Ho an’ny fitsarana, mba tsy hitaran’ny raharaha dia nomeny fahafahana vonjimaika avokoa izy 39 mirahalahy ireto, saingy miatrika fitsarana kosa izy ireo ny taona ho avy izao mba hamantarana ny tena marina momba izao raharaha nisamborana azy ireo izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT