Actualités

Olona mararin’ny Alzheimer Mitazam-potsiny ny fanjakana


  • Alakamisy 22 Septambra 2016

Efa an-jatony ireo Malagasy voan’ny aretina Alzheimer, indrindra fa ny zokiolona. Tsy misy anefa hatreto ny fotodrafitrasa natokana handraisana an-tanana azy ireny.


 Misy ny tany, raha ny fanazavan-dRason Andriamaro, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny ONG Masoandro Mody saingy ny hoenti-manana no tsy ampy, hany ka marary miisa dimy ihany  no azon’izy ireo raisina an-tanana etsy amin’ny foiben-toerany etsy Fenomanana noho ny fahateren’ny toerana. Misy fianakaviana 111 anefa nangataka ny mba handraisana ny havany voan’ny Alzheimer.  Tsy voafetra ny fotoana hitazonana ny marary ao amin’izy ireo. Raisina an-tanana tsirairay mantsy ny fiainan’izy ireny, toy ny fampanaovana azy asa tanana, ny fifampiresahana matetika amin’ilay marary ahafahany mizara izay any aminy. Nanambara moa ny dokotera Hasina Bakoharinivo, manampahaizana momba ny fitiliana ny aretina Alzheimer, fa ny fikorontanan’ny fitadidiana no fambaran’ny aretina Alzheimer.  Na izany aza dia  tsy maintsy mandalo fitiliana manokana ilay marary, fampanaovana kajy an-kandrina, fampamerenana ny teny vao avy nolazaina…  izay vao azo lazaina ho tena voa na tsia. Nomarihina omaly moa ny andro maneran-tany ho an’ny Alzheimer, tao anatin’ny lohahevitra hoe : “tsarovy aho”. Narahina fitiliana aretina maro samihafa izay toy ny diabeta, ny tosidra.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT