Actualités

OLONA MANANA OLANA ARA-PIHAINOANA Latsaky ny 1 % ireo voakarakara


  • Sabotsy 03 Desambra 2016

Mbola latsaky ny 1 %-n’ireo olona manana olana ara-pihainoana eto amintsika no fantatra fa misy mandray an-tanana toy ny asa tanterahin’ny AKAMA ( Akanin’ny Marenina ) etsy 67 ha ankehitriny.

Ny ankoatra izay dia mbola miparitaka eny anivon’ny fiarahamonina eny avokoa, hoy Andriamampianina Rinja, tompon’andraikitry ny fanofanana arak’asa ao amin’ity ivontoerana iray ity. Mitovy amin’ny olon-drehetra ihany izy ireny sady mahavita zavatra tsara. Nanaporofoan’izy ireo izany ny fanaovana fampirantiana ny asa tanan’ireo mpianatra manana olana ara-pihainoana miisa 200 beazina  ao aminy nanomboka omaly. Narahina varavarana misokatra entina hampahafantarana ny Akanin’ny Marenina etsy 67 ha ny hetsika, anisan’ireny ny fampiasana ny tenin’ny tanana. Tsiahivina fa ireo ankizy nahazo  taratasy mazava sy ara-dalàna avy any amin’ny dokotera  manaporofo fa manana olana ara-pihainoana marina izy no azo raisina ao amin’ny AKAMA.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT