Nosokafana omaly ny hetsika mitondra ny lohateny hoe “Festival inclusive pluridisciplinaire” andiany voalohany izay hifarimbonan’ireo olona manana fahasembanana sy tomombana ara-batana etsy amin’ny Parvis Analakely.
Araka ny fanazavana dia hanomezana sehatra kokoa ho any amin’ny lafiny matihanina ireo sokajiana ho manana izay fahasembanana izay eo amin’ny sehatry ny kanto no tena anton’ity hetsika nanomboka omaly ka hatramin’ny 19 oktobra ity. Hisy araka izany ny fampisehoana ara-javakanto, tsy mifidy taranja, ho hita eny an-toerana ary ho amin’ity anio ity dia hisy ny fampianarana teny Tanana maimaimpoana ho an’ireo rehetra tonga manontrona ny hetsika. Ezahana, hoy ny avy eo anivon’ny kaompania Lovatiana, izay mpikarakara ny hetsika, ny hisian’ity hetsika ity isaky ny 2 taona. 20 isa ireo nandray anjara tamin’ny fanombohana ny hetsika omaly.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.