Nosokajian’ny avy eo anivon’ny vovonana politika Olona Hasin’ny Tany (OHT) ho 3 mazava tsara ireo mpisehatra politika miditra lalina amin’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.
Ao ireo tsy nandray anjara mihitsy tamin’ny fifidianana, toy ny HFI sy ny tariny. Ao kosa ireo kandida nilatsadatsa-poana izay nametraka fa tsy tokony ho tamin’ny 7 novambra no nanatontosana ny fifidianana. Fahatelo dia izy mirahalahy hanao fihodinana faharoa amin’ny fifidianana filoham-pirenena, hoy ny filohan’ny fikambanana, Emile Ratefinanahary. Tsy ny olona tsy nandray anjara tamin’ny fifidianana sy tsy nanentana ny olona hifidy mihitsy, hoy ny tenany, no tokony hiteny ankehitriny hoe ataovy mangarahara ny fifidianana. Ny mampalahelo dia fahitana ny fanararaotana ireo marefo izay ampanaovina fitakiana manoloana ny HCC Ambohidahy ankehitriny. Antoka ho amin’ny firosoana amin’ny demokrasia ny firosoana amin’ny fihodinana faharoa ka aoka hirosoana, hoy ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.