Nidoboka vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ny Mpanolotsain’ny filoha teo Hery Rajaonarimampianina dia i Hugues Ratsiferana sy ny namany iray mitondra ny anarana hoe Tantely noho ny raharaha ambara fa fangalarana entana tahaka ny fanaka, solosaina,…
tao amin’ny Birao fiasany tao Ambohitsorohitra ny 27 janoary lasa teo. Ny zoma teo izy no nanaovan’ny mpitandro ny filaminana fanadihadiana ary natolotra ny fampanoavana ny ny sabotsy 2 janoary. Naharitra adiny 5 teo ny fakana am-bavany azy. Raha fintinina ny zava-nisy, tao amin’ny biraony amin’ny maha tale jeneralin’ny antokon-draharaha misahana ny fampiroboroboana ara-toekarena sy ny fampivoarana ny orinasa (AMDP) no nahitana fiara nitatitra entana ny marainan’io 27 janoary io, izay nentina teny amin’ny tranony eny Ampasanimalo, Voalaza fa novakiana ny varavaran’ilay birao tao Ambohitsorohitra. Rehefa nidina nanao fisavana teny an-toerana ny manampahefana niaraka tamina vadintany dia sarona tokoa ireo fitaovana ara-informatika ambara fa fananam-panjakana, raha ny fampitam-baovao. Tsara ny manamarika fa ankoatra ny naha mpanolotsain’ny filoha teo aloha azy, dia efa tale jeneralin’ny orinasa Air Madagascar izy. Efa masoivoho mivezivezy na “Ambassadeur iténarant” an’i Madagasikara teo anivon’ny vondron-tany miteny manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay (OIF). Nandritra ny fandraisana ny frankofonia teto Madagasikara ny taona 2016, dia nipetraka ho adihevitra teto amin’ny ny resaka fanodikondinam-bola teo anivon’ny orinasam-panjakana SEIMAD, izay vola avy any ivelany mitentina 500 000 Euros any ho any, ka voatonona ny anarany. Ny 5 septambra 2018 tany Beijing, dia nisy ny fifanarahan’ny fanjakana Malagasy tamin’ny sinoa nandritra ny dian’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny delegasionina notarihina tany Sina ka ny tenany no mpanasonia ny fifanarahana hanjonoan’ny sambo sinoa manodidina ny 330 amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara. Voalaza fa mitentina 2,7 miliara dolara sy sandan’ny fifanarahana. Ny 12 febroary izao no hiakatra fitsarana ny raharaha hanenjehana an’i Hugues Ratsiferana, raha tsy misy ny fiovana. Raha ny toerana sy andraikitra na ny vola mety hananany, dia tsy misy dikany aminy izay fitaovana ara-informatika saingy izay angamba ilay hoe: “tsy mahalala onona”. Ny lonilony politika eo amin’ny HVM sy ny MAPAR ihany koa anefa tsy takona hafenina, ka asa na resaka heloka tsotra na mety misy baiko politika ihany koa io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.