Actualités

Olon-tsotra any Alaotra Miantso ny mpitondra hijery ny fahoriam-bahoaka


  • Alakamisy 20 Novambra 2014

Sempotry ny krizy ara-tsosialy ny mponina any Alaotra. Mamely ny delestazy, mikatso ny fihariana, manao ny ataony ny jiolahy, ambany ny vidim-bokatra. Ampahany amin’ireo zavatra mahazo ny mponina any Alaotra ireo notanisaina ireo. Tokony ho tonga saina ny mpitondra, hoy ny tantsaha tafaresaka taminay

Anaty fahoriana tanteraka ny vahoaka malagasy, mila mandray andraikitra ny mpitondra ary tsy tokony hiziriziry amin’ny hevitra tsy hitondra fandrosoana sy hampisarabazana ny malagasy. Jereo ny zavatra manjo ny tantsaha izay lany mondronkery, hoy R…. avy ao Ampitatsimo nefa ambany ny vidim-bokatra. Mitombo isa hatrany ireo manao tafo lanitra sy fitadiavana amin’ny fomba mamohetra.Havotsory ny filoha Ravalomanana mba hanome asa ny malagasy rehetra dia amin’izay hihena ny asan-jiolahy sy ny hala-botry raha tsy izany dia hitombo izao fahoriam-bahoaka izao. Hajanony hoy ny olon-tsotra ny hambom-po politikanareo mpitondra fa jereo ny sosialim-bahoaka. Hisy hihaino ve anefa ity antso ny olon-tsotra any alaotra ity ? Ny mpitondra izay manao be marenina amin’ny fahavoazan’ny hafa fa variana mikatsaka ny tombontsoany manokana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT