Actualités

Olom-pirenena ankehitriny Sarotra atoro, sarotra tenenina, mora tohina,…


  • Alatsinainy 22 Jolay 2019

Atony maro no mahatonga ny olona saritra tenenina sy atoro ary mora tohina, hoy ny mpampianatra sady mpanabe iray.

 

 

 Eo ny fahasarotan’ny fiainana amin’ny ankapobeny mihitsy. Eo amin’ny lafiny ara-piarahamonina, dia tsy misy ny fandriampahalemana, tsy mifampatoky koa ny olona ary samy maka ho azy ny mpiara-monina. Tsy mahatoky ny fitondrana izay noheverina fa raiamandreny mpiaro ny olona. Eo amin’ny ara-pihariana (ndlr: ara-ekonomika), tsy fahitana asa na tsy fananan’asa, dia lasa manao ny tsy fanao.  Ny fisondrotan’ny vidim-piainana, dia sahirana koa ny olona manana anton’asa, satria ny vola raisina isam-bolana tsy mitombo, kanefa ny vidim-piainana tsy mitsahatra miakatra isan’andro. Ny tsy fahatokisana ny fitondrana, satria izay tonga teo  eo dia tsy mba nisy nijery ny sosialim-bahoaka sy ny fiainan’ny vahoaka, fa vao mainka aza nihalafo ny zavatra ilaina andavanandro. Fa ireo mpitondra no lasa manankarena rehefa nahazo seza. Ny manampahaizana manao asa tsy mifanaraka ny lalam-piofanana nataony sy ny diplôma hananany ary ny karama tsy mifanentana amin’izany …

 

Vokany, tsy mahatoky ny fitondrana intsony ny vahoaka. Na inona na inona tenenina dia toa tsy mihaino sy tsy manaraka intsony izy ireo fa variana mitady ny hohanina sy hivelomana. Porofon’izany, ireny nasehoan’ny olom-pirenena tamin’ny fifidianana nisesy teo ireny, ny tahan’ny mpifidy nihena. Mora tohina koa ny olona, satria, rera-tsaina amin’ny fiainana. Ahoana no mety hiafarany ? Variana mitady vola hivelomana dia tsy miraharaha izay fanentanana ataon’ny mpitondra any, miasa na andro fety aza. Soso-kevitra sy vahoalana naroson’ity mpanabe ity dia tsy misy afa tsy ny fijerena ny ara-tsosialy sy ny ara-pihariana ny vahoaka ihany dia ny fanamorana ny vidim-piainana. Famoronana asa sy fanohanana ireo manampahaizana manana tetikasa fampandrosoana. Fanavaozana ny rafitra amin’ny ankapobeny n’iza n’iza mitondra eo raha te-hanao zavatra fampandrosoana sy hihainoan’ny vahoaka azy.  

Sitraka r.    

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT