Actualités

Olom-panjakana manao propagandy Mampitandrina ny Praiminisitra


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Namoaka fanambarana sy fampahatsiahivana ny Praiminisitra omaly 11 oktobra ny amin’ny tokony hanajana ireo voalazan’ny andininy faha-57 ny lalàna fehizoro 2018-008 mifehy ny ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka,

 indrindra ny maha zava-dehibe ny fanajana ny soatoavina Malagasy dia ny Firaisam-pirenena sy ny Fihavanana. Tsy tokony hisy ny fifampihantsiana sy fifandrangitana eo amin’ireo samy kandidà sy ny mpomba azy, ary tokony hotandrovana mandrakariva ny filaminam-bahoaka, hoy izy. Manome toromarika ireo solontenam-panjakana isan-tsokajiny koa ny praiminisitra ny amin’ny handraisana andraikitra feno ao anatin’ny tsy fitanilana, ka hitandrovana ny zon’ny kandidà rehetra tsy ankanavaka ho afaka haneho hevitra an-kalalahana ary tsy voatohintohina mba hisorohana ny mety hisian’ny korontana any amin’ny faritra iadidian’izy ireo tsirairay avy. Voararan’ny lalàna moa ny fanaovana fampielezan-kevitra ho an’ireo tompon’andraikitra ambony, voatendry tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana sy ny didim-panjakana, saingy  mahagaga sy mampametra-panontaniana ihany hoe : fampielezan-kevitra ary azo atao sa tsia no ataon’ny vehivavy iray mpanolotsaina ny Praiminisitra miteny sy manenjika kandida amina haino aman-jery ? Voafehiny ve ny mpikamban’ny governemanta sa samy manao izay hampandany ny kandidany ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT