Firenena mahantra laharana faha-9 avy any amin’ny farany no misy an’i Madagasikara ankehitriny, araka ny antontan-kevitra manerantany.
Ny zava-misy aloha dia safononoka tanteraka ao anatin’ny harena ireo olom-panjakana ambony manam-pahefana raha miaina mba ho velona amin’ny karama tsizarizary toy ny varobarotra na an-tselika hafa sandaina 3.500 ariary tadiavina isan’andro kosa ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy. Efa zary fiainan’ireo mpikarama isam-bolana ihany koa amin’izao fotoana izao ny fitrosana noho ny fidiram-bola tsy ampy ao an-tokantrano. Fepetra nifanarahan’ny fitondram-panjakana mpanatanteraka tamin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena, ohatra, ny fampirisihana ny olom-pirenena tsy ankanavaka handray anjara mavitrika amin’ny fampiakarana ny tahan’ny fampidiran-ketra. Tranga mampalahelo anefa ny fahalalana fa ireo mpikambana ao amin’ny fahefana mpanatanteraka mihitsy no tsy mandoa izany adidy masina ho an’ny firenena izany ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. Malaza koa amin’izao fotoana ny delestazy saingy tsy mba hita soritra eny amin’ny faritra hipetrahan’ireo mpitondra manam-pahefana tokony ho modely io fahatapahan’ny herinaratra io. Tsy mahafantatra no sady tsy miaina ny fahoriam-bahoaka tokoa ireo olom-panjakana ambony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.