Actualités

Olan’ny fanaovan-gazety Malagasy Vonon-kanampy amin’ny famahana azy ny CAREA


  • Talata 18 Jona 2019

Hatramina mpisolovava dia mahamenatra fa misy tsy mahafantatra ny atao hoe Compagnie des arbitres rapporteur et expert agrée pour les cours et tribunaux de Madagascar na CAREA, izany hoe mpahay ny sehatra misy azy avy ary vita fianianana hatramin’izao, hoy ny mpikambana ao anatin’izany, Razaka Oliva.

 

 Raha sanatria misy olana eo amin’ny fitsarana mikasika ny didy tokony ho avoakany dia izahay no mpanazava azy na « éclaireur du juge ». Ny mpitsara, ny mpisolovava ary ny CAREA no toko 3 mahamasa-nahandro ny fitsarana. 60 taona izao no nisian’ity rafitra ity saingy tsy fantatr’olona, raha ny fanazavany, satria tsy avelan’ny lalàna manao dokambarotra. Satria moa manam-pahaizana (bacc+4 fara fahakeliny) no ao dia manao tatitra siantifika mikasika ireo tranga ara-pitsarana nataonay izahay, hoy hatrany ny tenany. Maro ireo raharaham-pitsarana izay efa nanampian’ny CAREA ireo mpitsara ny fandraisana fanapahan-kevitra momba azy, hoy ity solontenan’ny mpanao gazety ao anatin’izany ity, saingy hatreto aloha dia mbola tsy voakasik’izany ny asantsika, hoy izy. Miandry izahay hoe raha sanatria misy olana ny mpanao gazety dia mba hanampy amin’ny famahana ny raharaha izahay, hoy hatrany ny fanazavany.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT