Tsy misy fambara na dia iray aza mamelona ny fanantenana ny amin’ny hisiana ho avy tsara sy mendrika kokoa ho an’ny Malagasy, raha dinihana akaiky ny zava-misy amin’izao fotoana.
Variana amin’ny fitadiavana andavanandro ny vahoaka ka an-kavitsiana ireo manokana fotoana handinihana sy handrafetana ny paikady enti-miatrika ny ho avy. Ny mpitondra fanjakana moa dia iaraha-mahita fa tsy afaka mikofoka firy satria sady tsy misy ny eo am-pelatanana no tsy hay ihany koa ny mikaroka vahaolana hafa. Tsy niova ny ankamaroan’ireo mpanao politika fa dia mbola any amin’ny hoe : korontano, aongano dia zarao ny seza avy eo. Izay ihany ny fomba fisainana. Ny kabary ambony vavahady amin’izany tsy resahana intsony. Ny toky fitaka fa ny atao tsy hita no azo amintinana ny fihetsik’ireo manampahefana sy mpanao politika eto Madagasikara. Ny olona tsy ampy fahalalana, tsy ampy fahaizana ka voafetra ny zavatra takatry ny sainy, saingy anjaran’ny mpitondra no manabe sy mampianatra ary manetsika ny rehetra mba hifanome tanana amin’ny fampandrosoana ny isan-tokantrano, isam-paritra ary ny firenena iray manontolo. Nofinofy andro ririna fotsiny rehefa tsy misy io fitarihana mahomby omban’asa makadiry io. Asa sy fikirizana ihany no mahatafita fa tsy misy fahagagana tampotampoka izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.