Actualités

Olana ara-pitiavana Tovolahy namono tena teny Ampasika


  • Alarobia 03 Desambra 2014

Tovolahy iray vao 22 taona monja, mbola mpitovo monina etsy Ampefiloha Ambodirano no maty namono tena tetsy amin’ny ranon’Ampasika (reniranon’Ikopa) ny alatsinainy hariva lasa teo tokony ho tamin’ny 7 ora

. Raha araka ny fanazavan’ireo havany dia efa avy nanambana antsy ny tendany tao an-tranony izy nialoha io. Noho ny antso vonjy nataon-dreniny anefa izay marihina fa miara-mipetraka aminy dia tsy tontosany izany. Nandeha nivoaka ny trano izy taorian’izay ka nitsoraka avy hatrany tao amin’ny ranon’Ampasika. Avy be anefa ny orana tamin’io alatsinainy hariva io. Vokany, omaly maraina vao tonga nitady ny razana teny an-toerana ireo mpamonjy voina. Ora efatra no lanin’izy ireo omaly saingy tsy nahitam-bokany ka niroso tamin’ny fiantsoana zana-drano ny fianakavian’ny maty. Raha araka ny fanazavan’ireto farany ihany dia nanana olana ara-pitiavana ity tovolahy namono tena ity. Izany rahateo no naverimberiny nandritra ny fotoana nifampiresahan’ny zana-drahalahiny taminy, ity farany izay niezaka nanavotra azy taorian’ny nitsorahany tao anaty rano saingy efa tara loatra.  Tsy nisy laoka mantsy tao an-tranony tamin’io alatsinainy hariva io. Nirahin’ny anabavikeliny Itompokolahy mba hividy catless saingy tsy nahita intsony ihany koa izy. Nohanin’ity farany tamin’ny rano ny variny ka onena tanteraka Itompokolahy nahita izany

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT