Actualités

Olan-tany eny Andohatapenaka Tokony hanara-dalŕna ny Fanjakana


  • Alarobia 07 Septambra 2016

Niteraka adihevitra be ny fidinan’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, teny Andohatapenaka ny alatsinainy 5 septambra teo noho ny fifanolanana ara-tany ifanaovany amin’ny Fanjakana.

 

 Ho an’Atoa Faneva Raholdina, dia « tokony hifanaraka amin’ny lalàna ny fihetsiky ny fanjakana amin’ny fitantanana ny mpandraharaha eto an-toerana na koa ny avy any ivelany. Ary raha misy ny olana dia tokony hisy fifampidinihana ka rehefa tsy voavaha izany dia entina eo anivon’ny fitsarana mba ho marika ny maha tan-dalàna ny firenena. Izany no atao dia mba hisintonana ireo mpandraharaha avy any ivelany hampiasa vola eto sy hampirisika ihany koa ireo mpandraharaha eto an-toerana mba hahafahany mivelatra amin’ny fandraharahana ataony ». Anisan’ny mamaha ny olana ara-tsosialy, hoy hatrany ity mpandinika raharaham-pirenena ity ny fandraharahana atao eto satria miteraka asa ka hampihena ireo mpivarotra amoron-dalana.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT