Actualités

Olan-tany eny Ambohitrandriamanjaka Mizaka ny tsy eran’ny aina ny fianakaviana Raveloarisoa Florine


  • Alakamisy 29 Janoary 2015

Tratry ny angaredona amin’ny olan-tany ny fianakaviana Raveloarisoa Florine eny Ambohitrandriamanjaka Ambohimanga. Nitory azy ary nahazo rariny tamin’ny fitsarana ny mpifanolo-bodirindrina aminy ka tsy maintsy angalana 11 m2 homena ny mpifanandrina aminy

 

ny sisin-taniny. Tafiditra ao anaty hadivory anefa ity tany hiadivan’ny roa tonta ity. Niampy fitoriana faharoa indray izany, mbola nataon’ilay mpifanolo-bodirindrina ihany, mikasika ny fitarihana jiro. Manana tany vao novidiany tamin’ny taona 2000 ary efa nohajariany hatramin’ny taona 2004 ihany koa ity fianakaviana ity, ary dia asain’ny olona vao nividy ny tany ravana indray ireo trano roa tafo bozaka naorin’ny fianakaviana fa tafiditra amin’ny tany novidian’ity farany tamin’ny taona 2014 avy amin’ny mpandova hafan’ireo tany manontolo. Efa tonga avy any ampita mihitsy moa ny zanaky Rtoa Raveloarisoa mba hitady vahaolana amin’ny hividianana tany homena ireto mpifanandrina amin’izy ireo faharoa ireto saingy mbola miandry ny voka-pitsarana ry zareo. Fototry ny olana ny tsy fanoratana ara-dalàna ny tany novidian’ilay renim-pianakaviana tany aloha ka mikorontana rehefa mipoitra tsikelikely ireo mpandova rehetra.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT