Actualités

Olan-tany any Toamasina Saika tafiditra olona ambony hatrany


  • Alarobia 05 Oktobra 2016

Misy vadina olona ambony miasa ao Toamasina nibodo tanin'olona vita titre, ao Cité Procops Tanambao V, amin’izao nefa tsy resy mihitsy.

 

 Misy rahalahina député ao Toamasina koa naka tanin'olona ara-dalàna eny Betainomby ary tsy voakitika noho ny fanamparam-pahefana manjaka amin’ny fakana tany an-keriny ao. Matahotra satria rahonana ny mpiasan'ny service foncier any an-toerana  ka tapa-kevitra hanampy azy ireo ny olobe amin’ny  Faritra tarihan’Atoa Dieudonné Marthély Omar Ho Yhat avy any Brickaville, handaminana ny ady tany efa betsaka loatra any amin’ity Faritra ity. Marihana fa mialokaloka ao ambadiky ny  olom-panjakana ambony hatrany ireo olona mibodo ny tanin’olona izay nahavitan’izy ireo taratasy hosoka mihitsy nentina hanaporofoana fa azy ireo ny tany.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT