Actualités

Olan` ny JIRAMA tany Antalaha Tonga namono afo ny praiministra


  • Zoma 22 Martsa 2019

Manoloana ny savorovoro ny korontana nisy alarobia 20 Martsa 2019 tao Antalaha, izay nateraky ny olana mifandraika amin’ny fahatapahan’ny herinaratra matetika ka namoizana ain’olona sy naharatràna olona, dia nidina tany an-toerana ny Praiminisitra Ntsay Christian,

 

 

 ary narahina mpikambana ao amin’ny governemanta, sy tompon’andraikitra avy amin’ny foiben’ny JIRAMA. Nifampidinika tamin’ireo mponina ny delegasiona ary io olan’ny herinaratra io no vontoatin’ny fifanakalozana. Nanambara ny Praiminisitra, manoloana ny fandoroana trano nihatra tamin’ny JIRAMA tany an-toerana, fa tsy vahaolana ny famotehana ny fananana iombonana, ary tsy ho ela dia ho tonga any an-toerana ny milina mpamokatra herinaratra miisa efatra, hamahana ny olana amin’ny famatsiana; toy  izany koa ny ao Sambava sy Vohémar. Ho fanatsaràna hatrany ny resaka angovo, hoy ihany izy, dia nampahafantariny fa anisan’ireo tanàna notsongaina hanorenena toby famatsiana herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro (centrales hybrides) ny ao Antalaha ka vinavinaina ho tanteraka ny volana Jolay any ho any izany tetikasa izany. Mikasika ny fampivoarana ny Faritra SAVA dia tsy hadinony ny niresaka momba ny hanamboarana ny lalana mampitohy an’Ambilobe sy Vohémar. Eo amin’ny resaka filaminam-bahoaka kosa dia nomarihin`ny lehiben’ny governemanta , fa mahatsiaro manana adidy amin’ny fametrahana ny fitoniana ny tenany, ka teo no nanaovany antso avo tamin’ny vahoaka, hifanome tanana amin’ny fitondram-panjakana, hipetrahan’ny fifampitokisana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, ny mpitandro ny filaminana, ary ny fitsaràna, ka hahatongavana amin’izany fitoniana izany. Fantatra fa noho ny fahatezeran’ny olona no nahatonga izao toe-javatra mampalaelo izao. Tsapan’ny JIRAMA tokoa ny fahasorenana ny amin’ny tsy fahatomombanan’ny tolotra omeny. Niala tsiny noho izany ny JIRAMA. Misarika ny sain’ny rehetra anefa ny orinasa fa tsy vahaolana ny fanimbana fanànana iombonana toy izao ary manentana ny rehetra mba ho tony. Nanome toky ny orinasa JIRAMA fa hiezaka ny hamerina amin’ny laoniny ny famatsiana herinaratra raha vao tonga any Antalaha ireo « groupes » ireo. Manoloana izany anefa, tsara no manamarika fa nilaza ny mpitondra fanjakana fa tsy misy intsony ny “delestage economique” fa “delestage technique” no mitranga. Fa inona no tena marina? Eto Antananarivo mody atao milamina fa any amin` ny faritany izany no mitondra faisana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT