Niverina indray ilay ady tany hifanandrinana fianakaviana miisa valo amina orinasam-pifandraisana iray eny Antanandrano Ambohitrarahaba raha efa nangatsiatsiaka nandritra ny roa taona. Raha araka ny fantatra mantsy dia mitady hanao “expropriation
” sy nampiditra ady vaovao eny anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany indray ilay orinasam-pifandraisana nefa efa resy teo amin’ny ady ambaratonga ambony ka namoahan’ny fitsarana didy tamin’ny taona 2012. Antony nanosika ireo fianakaviana mpandova an-jatony tompon’ny tany aty aoriana nanao hetsika nilanja sorabaventy teny an-toerana ny faran’ny herinandro teo izany. Mahatratra 30 ha ny refin’ny tany iray manontolo ary efa nisy ireo efa nanangana trano saingy nasain’ilay orinasa najanona. Hiady hatramin’ny farany izahay, hoy Atoa Ravelonanosy Bruno mpitondra tenin’ny rehetra. Tsy manaiky ny fanaovan’ny orinasa tsy miankina “expropriation” izahay ary manao antso avo amin’ny fanjakana mba hijery akaiky ity raharaha ity. Aoka mba hijanona amin’izay ity resaka ady tany eto amin’ny firenena ity, hoy izy, fa mandreraka ny saim-bahoaka, indrindra ao anatin’izao ankatoky ny fety fitadiavam-bola izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.