Nanomboka tamin’ny zoma teo aty amin’ny faritra Ambohitsara Analamahitsy izay misy ny « résidence d’Algérie » dia tapaka ny rano nanomboka tamin’ny zoma 16 desambra 2016 hatramin’ny omaly talata.
Amb
Rehefa niantso ny Jirama ny mponina teo an-toerana dia nilaza izy ireo fa hoe en panne ny surpresseur mampiakatra ny rano eny. Rehefa mangataka fanampim-baovao izahay dia milaza ireo fa efa am-panamboarana. Omaly talata anefa rehefa nantsoina indray ry zareo dia milaza fa eny an-toerana mihitsy eo am-panamboarana.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.