Raha ny zava-misy amin’izao fotoana dia milaza miara-mahita isika vahoaka Malagasy fa mbola ny vahiny no mahazo tombony amin’ny harem-pirenena eto Madagasikara
. Tsy mbola vonona amin’ny fitrandrahana ireo harena voajanahary ananany ny Malagasy. Ny antony dia na ireo rafitra ara-panjakana na ireo fitaovana entina hitrandrahana izany dia tsy manana izany ny firenena Malagasy. Iaraha-mahita ankehitriny fa maro amin’ny vahoaka malagasy no tsy mahalala akory ny tena tombontsoa marina azo avy amin’izany fitrandrahana harem-pirenena izany ary tsy mahalala ny tombontsoa azo avy amin’izany ho an’ny faritra sy ny fiarahamonina misy azy. Manginy fotsiny ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ataon’ny vahiny kanefa toa jerem-potsiny. Mampalahelo fa rehefa ny Malagasy no sendra mba mitrandraka izany dia maika ny fanjakana hanenjika sy hanakana fa hoe tsy nahazo fahazoan-dalana. Mampiahiahy ny zava-misy, ary mampametra-panontaniana sao dia sanatria homena ny vahiny i Madagasikara.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.