Efa saika hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena i Ny Rado Rafalimanana ny taona ny 2013, saingy tsy navela noho ny fepetra tsy feno.
Ankehitriny, anisan’ny kandida amin’ny 2018 indray ny tenany. Misy mamoha anefa ny tantara, raharaha maloto mahasaringotra azy, izay efa tena miparitaka any anaty tranokalam-pifandraisana. Mifoha ny resaka momba ny fifanarahana nataon’ny fanjakana Malagasy sy ny orinasa Anxious Holding, tany amin’ny fiandohan’ny taona 2009. Raha tsiahivina, nahazo famatsiam-bola mitentina 25 tapirisa Euros avy amin’ny fanjakana Indianina tamin’ny alalan’ny Exim Bank ny fanjakana tamin’ny taona 2008 hividianana fitaovam-pamokarana ho an’ny fambolena. Io orinasa Anxius Holding, azy io, no nifanaraka tamin’ny fanjakana. Nisy anefa ny korontana ny taona 2009, ka tsy fantatra intsony izay tohin’ny tantara. 6.151.564.920 ariary, voalaza fa volam-panjakana tamin’izany no nampiasaina ary tokony honerany. Manjavozavo mandrak’ankehitriny ny fanonerana io vola io. Ny tahirimbolam-panjakana aza tsy mahalala sy tsy mahita rirany amin’izany. Nahoana no izao vao fohazina ny resaka ? Misy ambadika politika hoentina hikakana azy any anaty fifidianana ihany koa ve ? Maro ny mihevitra fa hanimbana ny ho avy politikan’i Ny Rado Rafalimanana ity raharaha ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.