Ny saina fa tsy ny fo irery no miasa rehefa manao politika, indrindra moa fa ao anatin’ny vanim-potoana sarotra tahaka izao iainan’nyfirenena izao. Maro ireo mpomba ny filoha Ravalomanana no tezitra sy tsy mankasitraka mihitsy ny fihetsiky ny fitondrana tamin’ny fisamborana azy tamin-kery teny Faravohitra sy ny fanagadrana azy any avaratra. Nivoaka nanomboka teo ny feo fa “tsy rariny izao
tsy mety, tsy azo ekena intsony fa tsy maintsy mihetsika isika !” Nidina an-dalambe ny zanak’i Dada, tsy tafiditra tao amin’ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo ary nisy ny voasambotra. Somary nifandimpatra ny fomba fijery nanomboka teo na ho an’ny olon-tsotra mpitolona io na ho an’ireo mpitarika. Mazava tsara anefa ny hafatry ny filoha Ravalomanana omaly : aoka hilamina isika, aoka ho tony, aoka hanaja ny fitsipika sy hahay hitondra tena ary araho ny toromariky ny mpitarika ! No comment, hoy ny fomba fiteny … Heverina kosa anefa fa tsy tongatonga ho azy izany hafatra izany fa misy antony ary ho hita miandalana eny ihany. Tsy misy olana tsy voavahan’ny resaka rehefa mahay miresaka sy mifanaja tsara ny an-daniny sy ny an-kilany. Ny ady rehetra na kely na lehibe dia tsy maintsy niafara teo ambony latabatra ny fandaminana azy. Misy fifanarahana soniavina avy eo dia ifanekena fa tanterahana, io no mitondra tsimoramora mankany amin’ny filaminana. Ny fo rano mafana, hoy isika malagasy, tsy maintsy misy ihany ny teny mety tafahoatra rehefa malahelo na tezitra na diso faly loatra, azo ifandaminana anefa ny zava-drehetra, ho hita eo ny vokany. Aoka tsy hohadinoina fa izay mahay mandamina ny paikadiny ihany no tafavoaka mpandresy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.