Mahita alika miriaria maro isika eny an-dalambe. Matetika rehefa tsy manam-pialofana izy ireny dia lazaintsika fa alika gasy.
Fa karazan’alika tahaka ny inona marina moa ny alika gasy e ? Nisy Malagasy efa nanandrana namorona taranak’alika ve ? Mino isika fa tsia no valiny.
Ny tena marina dia rehefa mahita alika ratsiratsy isika dia alika gasy izay. Midika ve izany fa izay rehetra gasy dia ratsy ? Dia izay koa ve no naha samy hafa ny mofo dipaina sy ny mofo gasy ? Ratsy ho an’ny toekarena sy ny toe-tsaina Malagasy ny zavatra tahaka izao. Isika ihany no manabe ireo taranatsika hanaiky fa ratsy ny vitantsika. Dia gaga ve isika rehefa avy eo fa lasa mahamenatra ny ankizy ny mividy vita Malagasy ? Mahamenatra tokoa izao ny mividy kahier vita gasy, mahamenatra ny mihaino hira gasy, mahamenatra ny mijery horonan-tsary gasy fa hoe ambanimbany traikefa. Ny teny moa dia efa manahirana fa dia efa midika fa olona sahirana ny miteny Malagasy. Eny, hatreny amin’ny fiarahamonina aza dia ny vahiny no hajaintsika kokoa noho isika samy isika. Mifanohitra tanteraka amin’ny zava-misy any ampita izany ary mifanohitra tanteraka amin’ny fitiavan-tanindrazana. Betsaka ireo antoko politika no milaza fa mila miverina ifotony. Ekena tanteraka saingy ity fitiavana ny Malagasy ity no fototry ny fotony angamba. Mila averina any an-tsekoly fa ny teny Malagasy no tsara indrindra ho an’ny Malagasy raha entina hampianarana azy. Taiza tany lafrantsa tokoa moa no nisy teny anglisy nentina nampianatra ? Tsy midika velively izany hoe tsy hianatra teny vahiny isika, fa tsy tokony hafangaro ny teny enti-mampianatra sy ny fampianarana ny teny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.