Actualités

Notorian’ny fanjakana Hotsaraina anio ireo mpanao gazety


  • Alatsinainy 16 Septambra 2019

Anio alatsinainy 16 septambra ny fitsarana ny raharaha fanenjehana mpanao gazety miisa 3 sy ny Talen’ny kolontsaina eo anivon’ny kaominina Antananarivo tamin’ilay raharaha mahakasika ny fisidinana angidimby tao anatin’ny kianjaben’i Mahamasina ny 30 aogositra,

 

 

 

 izay niteraka resabe nialoha ny fivahinianan’ny Papa Fransoa teto. Nisy ny notanana teny amin’ny polisy ary nisy nantsoina in-droa nisesy nanaovana fanadihadiana tamin’izy 4 miandahy nohenjehina ireo. Rehefa noraisin’ny “substitut du procureur” ny takarivan’ny 2 septambra, dia nomena fahafahana vonjimaika sy miandry ny fitsarana anio avokoa. Resaka famoaham-baovao no nanenjehana azy ireo ary ny fanjakana amin’ny alalan’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy no mpitory ao anatin’ny raharaha. Maro ny dingana azo narahina tao anatin’io, toy ny fangatahana handiso ny vaovao na “déménti”, ka raha tsy nanao ilay mpanao gazety dia afaka niroso tamin’ny dingana ambony kokoa, raha ny lalàna. Tsy izay no niseho fa tonga tamin’ny fandritaritana teny amin’ny polisy ka hatreny amin’ny fitsarana. Andrasana izay ho tohin’ny raharaha na hahazo fahafahana madiodio na hohelohina ara-tsazy ireto mpanao gazety ireto. Ny fampiantsoana nisesy teny amin’ny polisy sy ny fampiakarana fitsarana, dia toa efa misy endrika fampihorohoroana ara-tsaina an-kolaka ho an’ny mpanao gazety, indrindra fa amin’ny famoahana vaovao mety tsy dia mety amin’ny mpitondra.

Toky R

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT