Actualités

Nosy Sainte Marie Hatao laharam-pahamehana ny fiarovana ireo trozona


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Hotontosaina ny 11 ka hatramin’ny 14 jolay izao any Sainte Marie ny hetsika “Festival des Baleines” andiany faha-5, raha ny fanazavan’ireo mpikarakara tetsy amin’ny minisiteran’ny fizahantany etsy Tsimbazaza omaly.

 

 

 Fomba fiasa vaovao mihitsy no hanohizana ny fetin’ny Trozona fanao isan-taona ao an-toerana. Miisa 4 ny tanjona dia ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fanaovana laharampahamehana ny fiarovana ireo trozona. Ny ranomasin’ity nosy kely misy fokontany miisa 18 ity mantsy no hany mamondrona ireo trozona eto Madagasikara sy fakany taranaka, raha ny fanazavana. Ao koa ny fampandraisana anjara ireo mponina amin’ny asa sosialy mety hateraky ny hetsika izay mifandray amin’ny antony fahefatra dia ny fampiroboroboana ny ekonomia ao an-toerana. Miisa 20.000 isan-taona ireo mpizahatany tonga manatrika ny hetsika ary andrasana hiampy 3.000 izany amin’ity. Manomboka any amin’ny mpivarotra anana ka hatramin’ireo hotely ao an-toerana, hoy ny minisitera tompon’andraikitra dia mandray anjara mivantana sy an-kolaka amin’ny fampandrosoam-pirenena aterak’io. Ny resaka hotely fotsiny, ohatra, dia saika feno ny 75% rehefa tonga io fotoana io.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT