Nametra-panontaniana ny gazety vahiny iray ny amin`ny fifandraisana eo amin`ny firenena Maorisianina sy ny mpandraharaha Malagasy, Mamy Ravatomanga.
Voarohirohy amina raharaha famotsiam-bola mantsy ity mpandraharaha ity ka ny fitsarana Frantsay no miady azy amin`izao fotoana. Efa roa taona ny raharaha fa izay vao mipoitra tsikelikely ny antontan-taratasy mahakasika izany. Nangataka fifanarahana ara-pitsarana ny « Pole financier de Paris » mahakasika an`io mpandraharaha malagasy io. Ny ankamaroan`ireo firenena nanaiky niasa niaraka tamin`ny fitsarana frantsay fa ny tao Maorisy no tsy nanaiky sy tsy namaly ny antso. Raha ny fanadihadiana natao dia misy tombontsoa ara-toekarena goavana be harovana ao. Misy teratany maorisianina akaiky an`ilay mpandraharaha Malagasy sady akaiky an’io fitondrana io tonga eto. Sarotsarotra ny ahafahan`ny frantsay mahazo fiaraha-miasa amin`ny maorisianina. Marihina anefa fa io teratany io izay mpandraharaha ihany koa dia efa voahenjika tao Maorisy kanefa votsotra. Noho izay fifandraisana izay dia voaaro tanteraka i Mamy Ravatomanga. Tsy afaka madiodio anefa ny famotsiam-bola nataon’ny filoha tale jeneralin’ny SODIAT tratran’ny fitsarana tany Parisy, ary efa eo am-pelatanan’ny AGRASC (Agence de Gestion et de Recouvrement des Avoirs Saisis et Confisqués)… Andrasana izay ho tohin`ny raharaha.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.