Actualités

Nosy Maorisy Hiketrika ny tombotsoany eto ihany koa


  • Alarobia 13 Martsa 2019

Nanatanteraka dinika nifanaovana tamin’ny praiminisitra Maorisiana sady lehiben’ny fitondram-panjakana tany Port Louis ny filoha Rajoelina tamin’ny alatsinainy 11 martsa.

 

Inoana fa tohin’ ny fifanarahana ara-toekarena sy ny resaka manodidina ny sehatra toekarena voatokana (ZES) izay niteraka resabe teto Madagasikara tamin’ny andron’ny HVM no natao. Nisy ny fifanaovan-tsonia fifanaraha-piaraha-miasa vaovao momba ny raharaham-pitsarana, fampianarana ambony ary ny fampanarahan-dalàna ara-tsiantifika amin’ny lafiny ara-barotra. Eo amin’ny lafiny ara-toekarena dia nanao fifanarahana mba hamerenana an’i Madagasikara ho sompitry ny ranomasim-be Indiana ka hanafatra katsaka 50 000 taonina isan-taona aty Madagasikara i Maorisy. Hanafatra ny tongolo sy ny ovy ary ny hazan-dranomasina ihany koa izy ireo. Inoana marimamarina anefa fa tahaka ny firenena hafa dia misy hatrany ny tambiny ambadika amin’izany rehetra izany. Hiroso mankany amin’ny fanatanterahana ny ZES izay efa voatsipaka indray ve ny fitondrana? Tsiahivina anefa fa maro ny mpahay toekarena nanafatrafatra fa raha io ZES amin’io endriny misy teo io no tanteraka eto dia mainka fampahantrana ny vahoaka ary fanalana sy fandroahana miampy famonoana akolaka no hitranga eto Madagasikara. Amin’izao fotoana izao koa moa dia firenena tena efa sokajiana ho matanjaka ny Maorisiana ary tsy maintsy manana ny fepetrany. Ny filoha koa iaraha-mahalala fa manao izay fomba rehetra hitadiavam-bola ny amin’ireto dina sy velirano natao hany ka mitsiraparapaka eny rehetra eny. Tsinjotsinjo sahady fa hanampy trotraka ny hataon’ny Karana, sy ny Sinoa eto koa ny Maorisiana izay firenena tena sarotiny ary koa mafy amin’ny resaka fandraharahana. Maro mihitsy aza ny mpandraharaha velon-taraina ny amin’ny afitsoky ny tsy fahatokisan’io firenena io ny vokatra Malagasy ka maro hatrany no averina ary nisy fandraharahana ara-tsakafo Malagasy natao tany izay nakaton’izy ireo mihitsy na dia manaraka ny fenitra iraisam-pirenena aza.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT