Actualités

Nosy manodidina « Azo alaina ao anatin’ny 3 taona »


  • Alarobia 18 Desambra 2019

Aleo tara toy izay tsy misy ny fitakiana ireo nosy manodidina na nosy malagasy, hoy ny avy eo anivon’ny sendikan’ny

 

mpampianatra mpikaroka, raha nanazava ny antony hitoloman’izy ireo ihany koa mba hiverenan’ireto nosy ireto amintsika omaly. Ny mahavalalanina anay fotsiny, hoy ny filohan’ny Seces Tana, ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina, dia ny tsy hitakiana an’i Tromelin. Raha ny fanehoan-kevitra ara-jeografika sy tantara ary ny fikarohana rehetra anefa dia tokony ho izy 5 no antsika. Tsy maintsy takiantsika ireo ary ho azontsika. Zava-dehibe aminay, hoy izy, ny fijerena ny tokony hatao hamerenana ireo. Manana ny heviny ny Seces izay havoaka amin’ny fotoana mahamety azy fa ampahany aloha no navoaka teny amin’ny CCI Ivato. Misy ny antoka ahafahana manambara fa tokony ho afaka 3 taona dia ho azontsika ireo nosin-drazantsika ireo saingy tsy havoakanay aloha ny hevitra satria mbola misy ny mpamorika sy mpamosavy ary tia kely mety hanimba ny tolona mialoha ny fotoana, hoy hatrany ny filohan’ny Seces, sampana Antananarivo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT