Actualités

Nosy Juan de Nova Igalabonan’ny vahiny ny solika


  • Talata 06 Oktobra 2015

Dia efa mahazo mionona sy manamboatra saina ny gasy kely e ! Mandritra izao andiany faha-70 tamin’ny fivorian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena natao tany Etazonia dia mba niverimberina matetika an-gazety ny feon’ny Malagasy mitaky ny mba tokony hamerenana ireo nosy voafaritra ao anatin’ny tanin’i Madagasikara

 

 amintsika Malagasy dia ireo îles éparses izany na dia tsy asian’ny filoham-pirenentsika teny noho ny hakanosany nandritra ny fandraisany fitenenana tany New-york ny voalohan’ny volana oktobra teo.

Nasehon’ny fanjakana frantsay an-karihary fa tsy raharahainy sy tsy asiany lanjany amin’ny fitondran’izy ireo ny fitakian’ny Malagasy izay kely feo. Ny 21 septambra teo dia mbola nomen-dramatoa Ségolène Royal, minisitry ny angovo sy ny tontolo iainana, alalana indray ny orinasa Nigerianina sy Amerikanina ny Sapetro sy ny Marex Petroleum hanohy ny fitrandrahana solika sy etona fandrehitra ao amin’ny nosintsika Juan de Nova. Efa  hatramin’ny taona 2008 no  nitrandraka izany harena sarobidy izany tao amin’ity nosy ity ireto orinasa roa ireto dia izao mbola nahazo alalana avy amin’ny tsy tompony izao indray. Raha araka ny fanadihadiana natao dia mahatratra 12 miliara barila ny solika ao ary  vinavinaina ho 4 miliara m3 ny etona voatahiry any ambanin’ny tany any. Miangatra ve  Andriamanitra sa isika mihitsy no tsy  hita  intsony izay ilazana azy e ?


Andry Ratovo      

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT