Actualités

Nosy Be Hell Ville Voakarakaran’ny fitondrana manokana ?


  • Alatsinainy 06 Oktobra 2014

Nitokana zava-bita tany Nosy Be azo avy amin’ny tetikasa Pôle intégré de croissance (PIC) izay napetraka tamin’ny fitondrana Ravalomanana ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny sabotsy lasa teo. Anisan’izany ny seranan-tsambo ao Hell-Ville sy Ankify, ny tetezana Joby 4 km miala amin’ny tanŕnan’i Nosy Be

mizotra mankany Dzamandzar ary ny asa fanajariana sy fanatsarana endrika ny « Mont Passot » izay toerana tena mahasarika mpizahatany maro be tokoa. Notolorana fiara be iray ihany ka ny sampana mpamonjy voina ao Nosy Be ary nozaraina Kit scolaire ireo mpianatra teny amin’ny EPP tao an-toerana. Nanambara ny filoham-pirenena fa mpianatra 3 tapitrisa no hizarana Kits scolaires manerana an’i Madagasikara ho fanomezan-danja ny fampianarana izay fototry ny fampandrosoana ny firenena. Ho an’i Nosy Be manokana dia nanambara i Hery Rajaonarimpianina fa atao fitaratra amin’ny resaka fizahantany eto Madagasikara ity tanàna iray ity. Ny fihetsika tahaka izao fanamboarana fotodrafitrasa izao ihany koa dia efa  fambara fa vonona amin’ny fampandrosoana maharitra isam-paritra ny fitondram-panjakana, hoy hatrany ny filoha. Hatreto izany aloha dia tsy mbola hita izay tena fandaharanasan’izao fitondrana vaovao izao fa toa manohy fotsiny ny asa natomboky ny teo aloha sy mitokana ny zava-bita avy amin’ny ezaka nataony ireo manampahefana. Tsikaritra ihany koa fa anisan’ireo tanàna voakarakaran’ny fitondrana manokana ny ao Nosy Be ao, asa hoe noho izy be mpandraharaha vahiny ve sa…ahoana ? Minisitra 7 be izao sy mpiara-miasa akaiky vitsivitsy aminy ao an-dapa no nanara-dia ny filoha tany amin’ny tanànan’ny Ylang Ylang izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT