Actualités

Noroahin’ny mpampiasa Nirenireny tsy fidiny ilay tovovavy


  • Alatsinainy 05 Septambra 2016

Efatra volana lasa izay no nisy olona tonga tany Fianarantsoa nifampiresaka tamin’ny renin’ny tovovavy iray, 19 taona, antsoina hoe Rasoanirina Tombojanahary Claudine mba haka azy hiasa aminy hikarakara ankizy any Sambava.

Nitombo anefa ny asa nony tonga tany ka niteraka aretina ho an’ilay tovovavy ary nidirany hopitaly ny faran’ny volana mey teo. Vao tafavoaka ny hopitaly ity tovovavy ity dia nambaran’ny mpampiasa azy fa tsy ilaina intsony satria marefo ka tsy mahavita asa ary vola 70.000Ar no nomeny azy. Tsy nahita naleha ilay tovovavy nanomboka teo, na saran-dalana miverina any Fianarantsoa aza tsy ampy ka dia nirenireny tao Sambava no nataony. Nisy raim-pianakaviana iray nilaza ho antra azy ka nandray saingy saika hohararaotin’ity lehilahy ity hovadiana izy kanefa nanda ka noroahin’ity farany. Nanapa-kevitra nanatona ny kaomisarian’ny polisy ao Sambava izy ny sabotsy lasa teo ka ireto farany no niangavy ny mpanao gazety mba hanao antso avo ho amin’ny zanak’i Fianarantsoa na ny havany hanampy sy hamonjy ity tovovavy ity. Noraisin’ny polisy an-tanana ny raharaha ka nilaza ny hanao fanadihadiana ilay mpampiasa izy ireo.

                                                                                                       Toky R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT