Actualités

Noho ny Pesta Natoka-monina ny mponin’Ankasina


  • Alarobia 26 Novambra 2014

Natoka-monina ireo mponina eny Ankasina nanomboka omaly noho ny fahitana fa mirongatra ny valan’aretina pesta ary teny amin’izy ireo no nahitana izany voalohany iray volana lasa izay.

Raha ny hita eny an-toerana mantsy amin’izao fotoana dia nasiana vavahady lehibe eny amin’ny faritra miditra ao amin’ny fokontany 67 ha avaratra aryireo mponina avy eny Ankasina no kendrena tsy hivezivezy eny an-toerana intsony. Raha ny fanazavana nomen’ny sefo fonkotany avy ao Ankasina Atoa Jaoson Ranaivoarivony dia miendrika fanilikilihana ny mponina ao amin’izy ireo izao fepetra raisina izao.Nomarihany fa tsy ny mponina avy ao amin’izy ireo no nitondra ity aretina ity fa olona avy any ivelany. Nambarany ihany koa fa dia mety hitarika lonilony ara-piarahamonina izao tranga izao satria noho ny fahatsapan’ireo olona ao amin’ny fokontany hiadidiany fa ailika izy ireo ka mety hitarika olana hafa indray ny raharaha.Ankoatra ny vavahady lehibe manakana ny fivezivezen’izy ireo mantsy dia misy ihany koa ny petadrindrina mandrara ireo mponina ireo tsy hiditra na hivezivezy eny an-toerana. Etsy an-kilany nanambara ny sefo fokontany avy ao amin’ny 67ha avaratra fa dia tsy maintsy mandray izao fepetra izao izy ireo mba hisorohana ny mety ho fihanaky ny aretina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT