Mirongatra ny fandorana tanety anaovana tany fambolena vary sy katsaka an-tanety ao amin’ny distrikan’i Moramanga tao anatin’ny krizy ka mitohy mandraka ankehitriny. Efa tsy ireo savoka intsony no ampiasain’ireo mpanao azy ity, fa ireo ala velona mihitsy no idiran’izy ireo.
Tsy mba manana tany azo anaovana fambolena izahay aty, hany ka tsy maintsy miditra amin’ny fanaovana ny doro ala toy izao hahafahanay mamboly hahazoanay ny vokatra vary sy katsaka iveloman’ny fianakavianay”, hoy Atoa Robert anisan’ireo mpandoro ala anaovana fambolena vary ao Moramanga. Nomarihany hatrany fa tsy maintsy miditra amin’ny fandorana ala vaovao izy ireo noho ireo tany efa nampiasaina teo aloha tsy azo ambolena intsony fa tsy mamokatra. Ireo tany efa nodorana misy savoka ireo no antsoina hoe “namarasana” ao Moramanga. “Tena mameno ny antontan-taratasin’ady eto aminay ny resaka doro ala sy doro tanety, fotoanany rahateo ny vanim-potoana fisian’ny orana sy fahavaratra tahaka izao. Tsy mandefitra amin’izany izahay eto anivon’ny fitsarana Moramanga, ka izay tratra ka vita fanadihadian’ny zandary dia avy hatrany ampidirinay am-ponja”. Izay no nambaran’ny lehiben’ny fampanoavana ny fitsarana ambaratonga voalohany Moramanga Atoa Tarzan. Nanamafy izany koa ny lehiben’ny kaompanian’ny zandary Moramanga, kapiteny Rakotoarisoa Eugène, fa anisan’ny mampasiaka anay zandary eto Moramanga ity resaka doro ala sy doro tanety ity, tsy mandefitra misambotra ireo mpanao izany izahay, noho izy ireo mpandoro sy mpanimba tanindrazana. Tsy ny fisamborana sy fanasaziana ihany anefa no ataonay fa mampianatra sy manoro ny tokony hatao sy ny lalàna misy momba izany koa izahay, amin’ny fitsidiham-paritra ataonay araka ny lalàna 2001-005 dia heloka bevava ny fanimbana ala indrindra ireo ala arovana ary lasa ady heloka bevava tsotra ka maha-voasazy hatramin’ny 5 taona an-tranomaizina sy lamandy mahatratra hatramin’ny 20 tapitrisa ariary.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.