Ny volana oktobra 2019 ny sambo Costa Mediteranea no efa tonga taty amin’ny Ranomasimbe Indianina, ary efa nitsidika an’i Madagasikara dia tao Toamasina, Nosy Be, Antsiranana.
Nisy olana anefa ny tokony hiantsonany tao ny faran’ny herinandro teo noho ny ahiahy Coronavirus. Tsy ho tonga ao Toamasina ihany koa izy anio alatsinainy 9 martsa rehefa avy nolavin'ny manampahefana tao Nosy be ny zoma lasa teo ka nandray fanapahan-kevitra ny hitodi-doha avy hatrany any amin’ny nosy Seychelles ny tompon'andraikitry ny sambo. Mitondra mpizahatany 2000 mahery, ka nanomboka ny oktobra 2019, dia nitety ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina ka nivezivezy tany La Réunion, Maurice, Seychelles ary Madagasikara. Raha ny fanazavana dia ao amin’ny Nosy La Réunion sy Nosy Maurice no fandraisany sy fampidinany ny mpizahatany ka misy ireo tonga amin’ny fiaramanidina avy any amin’ny misy azy, tahaka ny any Eoropa. Maro koa ireo teratany Réunionais sy Mauriciens. Hentitra dia hentitra ny fandraisana ny olona eo am-piondranana sy ny fepetra eo amin’ny fidinany amin’ny seranan-tsambo rehetra, ary amin’ireo Nosy izay tsidihana hatreto dia tsy misy trangana coronavirus na iray aza. Tsy noraisina mihitsy ireo teratany avy amin’ny Firenena izay ahitana ny firongatry ny aretina, raha ny fanazavana. Na izany aza, mailo sy mihorohoro ny rehetra eo anatrehan’ny Coronavirus, ka niafara tamin’ny fanakanana ity sambo ity. 9 amin’ny toerana 10 hotsidihiny no vita.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.